Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | IZA MOA NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH?

Hoatran’ny Ahoana ny Vavolombelon’i Jehovah?

Hoatran’ny Ahoana ny Vavolombelon’i Jehovah?

Fikambanana iraisam-pirenena izahay, ary fivavahana mahaleo tena tanteraka. Na dia any Etazonia aza ny foibenay, dia mipetraka any amin’ny firenena maro ny ankamaroanay. Misy valo tapitrisa eo ho eo izahay no mampianatra Baiboly any amin’ny tany 230 mahery. Mampihatra an’ity tenin’i Jesosy ity mantsy izahay: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra.”—Matio 24:14.

Na aiza na aiza misy anay, dia mankatò lalàna foana izahay nefa tsy manao politika. Nilaza mantsy i Jesosy fa tsy tokony ho “anisan’izao tontolo izao” ny Kristianina. Tsy miditra amin’ny resaka politika mihitsy àry izahay, ary tsy mandray anjara amin’ny ady. (Jaona 15:19; 17:16) Nisy Vavolombelon’i Jehovah nogadraina sy nampijalina ary novonoina ho faty mihitsy, nandritra ny Ady Lehibe II, satria tsy nety nandeha niady. Hoy ny eveka alemà iray: “Tsy diso izy ireo raha milaza, fa avy ao amin’ny fivavahany ny ankamaroan’ireo olona tsy nety nandray anjara tamin’ny ady nandritra ny fitondran’i Hitler.”

‘Tena be herim-po ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy tia tena izy ireo, ka azontsika omena toerana ambony ao amin’ny fitondrana. Tsy hanaiky an’izany mihitsy anefa izy ireo. Manaja ny fitondrana izy ireo, saingy ny Fanjakan’Andriamanitra ihany amin’izy ireo no afaka mamaha ny olana rehetra mahazo ny olombelona.’—Gazety Nová Svoboda, any amin’ny Repoblika Tseky.

Tsy mitokantokana anefa izahay. Hoy tokoa i Jesosy rehefa nivavaka ho an’ny mpanara-dia azy: “Tsy ny hanalanao azy eto amin’izao tontolo izao no angatahiko.” (Jaona 17:15) Mety hahita anay miasa, miantsena, na koa mandeha mianatra àry ianao.