MATOAN-DAHATSORATRA | IZA MOA NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH?
Nahoana Izahay no Mitory?
Ny fitoriana ataonay eran-tany no tena mampiavaka anay. Mitory isan-trano izahay, na eny amin’izay toerana ahitana olona. Fa maninona izahay no manao an’izany?
Mitory izahay satria te hanome voninahitra an’Andriamanitra sy te hampahafantatra ny anarany. (Hebreo 13:15) Te hankatò an’ity tenin’i Kristy Jesosy ity koa izahay: ‘Mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra. Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.’—Matio 28:19, 20.
Tianay koa ny olon-drehetra. (Matio 22:39) Fantatray tsara hoe manana ny fivavahany ny ankamaroan’ny olona, ary tsy ny rehetra no te hihaino anay. Mamonjy ain’olona anefa ny fampianarana ao amin’ny Baiboly. Izany no mahatonga anay ‘tsy mitsahatra mampianatra sy mitory ny vaovao tsara momba an’i Kristy’, toy ny nataon’ny Kristianina voalohany.—Asan’ny Apostoly 5:41, 42.
Hoy i Antonio Cova Maduro, manam-pahaizana momba ny fiaraha-monina: ‘Miezaka mafy ny Vavolombelon’i Jehovah mba hitory ny soratra masina any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany. Tsy kivy izy ireo manao an’izany, na dia misy aza ny olana.’—Gazety El Universal, any Venezoelà
Tsy Vavolombelon’i Jehovah ny ankamaroan’ny olona mamaky ny bokinay. Manana ny fivavahany koa ireo olona an-tapitrisany ampianarinay Baiboly. Faly anefa izy ireo satria tonga mitsidika azy ireo izahay.
Mety mbola manana fanontaniana momba ny Vavolombelon’i Jehovah ianao. Asainay àry ianao
-
hanontany Vavolombelon’i Jehovah.
-
hijery ny tranonkalanay, jw.org/mg.
-
hanatrika ny fivorianay, izay natao ho an’ny rehetra sady tsy misy vidim-pidirana.