Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | MAHASOA VE NY MIVAVAKA?

Nahoana ny Olona no Mivavaka?

Nahoana ny Olona no Mivavaka?

“Mpiloka be aho. Nivavaka aho mba hahazo volabe fa tsy nahazo mihitsy.”—Samuel, * any Kenya.

“Tsy maintsy nanao tsianjery an’izay vavaka nampianarina anay fotsiny izahay, tany am-pianarana.”—Teresa, any Philippines.

“Mivavaka aho rehefa manana olana. Mivavaka koa aho mba ho voavela heloka, sy ho lasa Kristianina tsara toetra kokoa.”—Magdalene, any Ghana.

Hita amin’izany fa samy manana ny antony ivavahany ny olona. Ny an’ny sasany mba tsara kokoa raha oharina amin’ny an’ny hafa. Tena vokatry ny fo ny an’ny sasany, fa misy indray tsy misy fihetseham-po mihitsy. Misy, ohatra, mivavaka mba ho afa-panadinana, na mba handresy ny ekipa ankafiziny, na mba hitari-dalana ny tokantranony Andriamanitra. Na inona na inona anefa zavatra angatahin’ny olona, dia hita hoe an-jatony tapitrisa no te hivavaka. Na ireo tsy mpiditra am-piangonana aza mba mivavaka matetika, araka ny fanadihadiana.

Ary ianao? Tia mivavaka ve ianao? Inona no resahinao rehefa mivavaka? Na zatra mivavaka ianao na tsia, dia mety hieritreritra hoe: ‘Tena ilaina ve ny mivavaka? Misy mihaino ve ny vavaka ataoko?’ Milaza ny mpanoratra iray fa ‘manamaivamaivana’ fotsiny ny mivavaka. Misy dokotera milaza koa fa toy ny “solona fanafody” ny vavaka. Fahazarana fotsiny àry ve ny mivavaka, sa mba misy soa azo ihany amin’ilay izy?

Resahin’ny Baiboly fa tsy hoe manamaivamaivana fotsiny ny vavaka. Tena misy mihaino ny vavaka ataontsika, raha mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ilay izy. Andao àry isika handinika an’izany.

^ feh. 3 Novana ny anarana sasany.