Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Hisy Intsony ve Indray Andro any ny Olona Mihatsaravelatsihy?

Tsy Hisy Intsony ve Indray Andro any ny Olona Mihatsaravelatsihy?

LEHIBE tany amin’ny nosy iray any amin’ny Ranomasina Mediterane i Panayiota. Nafana fo tamin’ny politika izy, tamin’ny mbola tanora. Lasa sekreteran’ny antoko politika iray tao an-tanànany izy tatỳ aoriana. Nitety trano mihitsy aza izy mba hitadiavana vola ho an’ilay antoko. Diso fanantenana anefa izy rehefa nandeha ny fotoana. Nilaza fa mpinamana mantsy ny mpikambana tao amin’ilay antoko, nefa nanao kiantranoantrano, tia nifaninana, tsy nifankahazo, ary nifampialona.

Mpivavaka nafana fo ny fianakavian’i Daniel, any Irlandy. Tadidiny anefa fa nihatsaravelatsihy ny mpitondra fivavahana tao amin’ny fiangonany. Nilaza mantsy izy ireo fa ho lasa any amin’ny afobe, hono, i Daniel raha manota, nefa ry zareo aza misotro toaka be, miloka, ary mangalatra rakitra.

Misy orinasa mpandefa entana eran-tany any Royaume-Uni sy Etazonia, ary niasa ho an’ireny orinasa ireny i Jeffery. Nanao dokam-barotra sy nivarotra no asany tamin’izany. Tadidiny fa imbetsaka ny mpividy sy ny orinasa hafa nifaninana tamin-dry zareo no nanao hosoka rehefa nifampiraharaha tamin’ny manam-pahefana. Vonona hilaza an’izao antsanga tsy aman’orana rehetra izao izy ireo, mba haharaikitra an’izay fifanarahana ataony.

Santionany fotsiny ireo. Fahita mantsy ny olona mihatsaravelatsihy, na eo amin’ny resaka politika izany na fivavahana na varotra. Avy amin’ny teny grika ilay teny anglisy nadika hoe “mihatsaravelatsihy.” Midika hoe mpanao teatra manao saron-tava izy io. Niova anefa ny dikan’izy io tatỳ aoriana, ka lasa nilazana an’izay olona mody manao zavatra iray mba hamitahana ny hafa na mba hahazoana tombony.

Mety ho tezitra be na hitana lolompo ny olona iray rehefa nisy nihatsaravelatsihy taminy. Mety hilaza izy hoe: “Fa rahoviana ihany àry vao tsy hisy intsony ny olona mihatsaravelatsihy?” Soa ihany fa manome toky antsika ny Tenin’Andriamanitra hoe tsy hisy intsony izany any aoriana any.

NY HEVITR’ANDRIMANITRA SY NY ZANANY

Milaza ny Baiboly fa tsy olona no nihatsaravelatsihy voalohany, fa anjely tsy hita maso antsoina hoe Satana Devoly. Menarana no mody nampiteneniny mba hamitahana an’i Eva, ilay vehivavy voalohany. Mody niseho hoe te hanampy an’i Eva izy tamin’izay. (Genesisy 3:1-5) Be dia be ny olona lasa mihatsaravelatsihy hoatr’izany, tatỳ aoriana. Mody miseho ho tsara fanahy na tsara toetra izy ireo, mba hamitahana ny hafa na mba hahazoana tombony.

Mody nanompo an’i Jehovah ny firenen’Israely fahiny, nefa nanompo sampy. Imbetsaka àry Andriamanitra no nampitandrina azy ireo. Naniraka an’i Isaia mpaminany izy hilaza hoe: “Manatona ahy am-bava fotsiny ity vahoaka ity, ary manome voninahitra ahy an-tendro-molotra fotsiny, fa ny fony kosa ataony lavitra ahy.” (Isaia 29:13) Tsy nibebaka anefa ny Israelita ka navelan’Andriamanitra horavan’ny firenena hafa ny foiben’ny fivavahan’izy ireo, dia i Jerosalema sy ny tempoliny. Ny Babylonianina no nandrava azy io tamin’ny 607 T.K., ary avy eo ny miaramila romanina tamin’ny taona 70. Hita amin’izany fa tsy havelan’Andriamanitra hisy foana ny olona mihatsaravelatsihy.

Tena tian’Andriamanitra sy Jesosy Zanany kosa ny olona tsotra sy manao ny marina foana. Nanatona an’i Jesosy, ohatra, ny lehilahy iray atao hoe Natanaela. Hoy i Jesosy rehefa nahita azy: “Izany ka tena Israelita, sady olona tsy misy fitaka.” (Jaona 1:47) Lasa anisan’ny apostolin’i Jesosy 12 i Natanaela na Bartolomeo, tatỳ aoriana.—Lioka 6:13-16.

Niaraka tamin’ny mpianany foana i Jesosy. Nampianariny azy ireo fa tsy tian’Andriamanitra ny olona mihatsaravelatsihy, ka tsy tokony hanao hoatr’izany izy ireo. Nomelohin’i Jesosy ireo mpitondra fivavahana tamin’izany, satria hita tamin’ny zavatra nataony hoe nihatsaravelatsihy izy ireo. Ireto misy ohatra amin’izany:

Nanao ny marina izy ireo mba ho hitan’ny olona fotsiny. Hoy àry i Jesosy tamin’ireo nihaino azy: ‘Mitandrema sao ny mba ho hitan’ny olona fotsiny no antony anaovanareo ny marina eo anatrehany, toy ny ataon’ny mpihatsaravelatsihy.’ Nilaza koa izy fa rehefa manome zavatra ho an’ny mahantra, dia tokony hatao “ao amin’ny miafina” izany, fa tsy hatao hitan’ny olona. Tsy tokony ho tia sehoseho koa izy ireo rehefa mivavaka. Tsy mihatsaravelatsihy izy ireo amin’izay, ka hankasitrahan’ny Rainy ny fivavahan’izy ireo.—Matio 6:1-6.

Mailaka erỳ izy ireo nanakiana olona. Hoy àry i Jesosy: “Ry mpihatsaravelatsihy! Esory aloha ny vatan-kazo eo amin’ny masonao, dia ho hitanao tsara ny hanesorana ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao.” (Matio 7:5) Misy olona tia manakiana ny hafa, nefa ny zavatra ataony aza ratsy lavitra noho ny an’ny olona. Mihatsaravelatsihy ny olona hoatr’izany, satria te hanafina ny kilemany izy dia ny an’ny hafa no asongadiny. “Samy efa nanota” anefa isika rehetra, ka “tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra” daholo.—Romanina 3:23.

Ratsy saina izy ireo. Nanatona an’i Jesosy ny mpianatry ny Fariseo sy ny mpomba an’i Heroda, indray mandeha, ary nanontany azy momba ny hetra. Mody nandokadoka an’i Jesosy izy ireo hoe: “Mpampianatra ô, fantatray fa milaza ny marina foana ianao, sady marina ny fampianaranao ny lalan’Andriamanitra.” Nilaza toy izao anefa izy ireo avy eo mba hamandrihana azy: “Azo atao ve sa tsia ny mandoa ny hetra isan-dahy amin’i Kaisara?” Hoy i Jesosy: “Nahoana ianareo no mamandrika ahy, ry mpihatsaravelatsihy?” Nety tsara ny niantsoan’i Jesosy azy ireo hoe mpihatsaravelatsihy, satria tsy tena te hahafantatra ny valin’ilay fanontaniana izy ireo raha ny marina, fa te ‘hamandrika azy tamin’ny teniny.’—Matio 22:15-22.

Tokony ho “avy amin’ny fo madio, sy avy amin’ny feon’ny fieritreretana madio ary avy amin’ny finoana tsy mihatsaravelatsihy” ny fitiavan’ny tena Kristianina.—1 TIMOTY 1:5.

Nilaza ny marina sy nanao ny marina foana ny Kristianina, hatramin’izay nisian’izy ireo tamin’ny Pentekosta taona 33. Niezaka mafy izy ireo mba tsy hihatsaravelatsihy intsony. Nampirisika ny Kristianina namany, ohatra, ny apostoly Petera mba ‘hankatò ny fahamarinana’, ka hanana “fitiavan-drahalahy tsy misy fihatsarambelatsihy.” (1 Petera 1:22) Nampirisika ny mpiara-miasa taminy koa ny apostoly Paoly hoe tokony ho “avy amin’ny fo madio, sy avy amin’ny feon’ny fieritreretana madio ary avy amin’ny finoana tsy mihatsaravelatsihy” ny fitiavan’izy ireo.—1 Timoty 1:5.

MAHERY NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Hita ao amin’ny Baiboly ny zavatra nampianarin’i Jesosy sy ny apostoliny, ary mbola mandaitra toy ny tamin’ny taonjato voalohany foana izy ireny. Hoy ny apostoly Paoly momba izany: “Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, eny, maranitra noho ny sabatra roa lela, ary manindrona ka mahavita manavaka ny miseho ivelany sy ny any am-po ary mampisaraka ny tonon-taolana sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritry ny fo sy ny fikasany.” (Hebreo 4:12) Betsaka ny olona nianatra Baiboly sady niezaka nampihatra an’izay voalaza ao, ka lasa nanao ny marina sy tsy nihatsaravelatsihy intsony. Diniho, ohatra, izay nataon’ireo olona noresahintsika teny am-piandohana.

“Tena mifankatia ry zareo sady tena mitady izay hahasoa ny hafa.”—PANAYIOTA

Niova ny fiainan’i Panayiota rehefa nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny Efitrano Fanjakana izy. Tsy nahita mihitsy izy tany hoe misy olona mody manao ny marina, nefa mba hoe ho tian’ny hafa fotsiny no tanjony. Hoy izy: “Tena mifankatia ry zareo sady tena mitady izay hahasoa ny hafa. Tsy mbola nahita hoatr’izany mihitsy aho nandritra an’ireo taona maro nanaovako politika.”

Nianatra Baiboly i Panayiota ary natao batisa, 30 taona lasa izay. Hoy izy: “Lasa nahafa-po ahy ny fiainako. Tsy hoe tamin’ilay izaho nitety tranon’olona mba hampiroboroboana an’ilay antoko politika nisy ahy, fa tamin’izaho nanomboka nitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Io ihany mantsy no fitondram-panjakana tena hampanjaka ny fahamarinana.”

‘Tsy vitako ny hihatsaravelatsihy amin’ny mpiara-mivavaka amiko.’—DANIEL

Niezaka tsara i Daniel tao amin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka lasa nahazo andraikitra. Nisy zavatra tsy nety nataony anefa, taona vitsivitsy tatỳ aoriana, ka nanenjika azy ny eritreriny. Hoy izy: “Mbola tsy afaka tato an-tsaiko ny zavatra nataon’ireo mpitondra fivavahana tany amin’ny fiangonanay taloha, ka naleoko nijanona tsy nanao ny andraikitro intsony. Tsy vitako mantsy ny hihatsaravelatsihy amin’ny mpiara-mivavaka amiko.”

Niezaka anefa i Daniel, ka tsy nampaninona azy intsony tatỳ aoriana ny nanao an’izay andraikitra nomena azy tao amin’ny fiangonana. Tokony hanao ny marina hoatr’izany isika. Tokony hampiavaka ny olona manompo an’Andriamanitra mantsy ny hoe tsy mihatsaravelatsihy. Miezaka manala ny ‘vatan-kazo eo amin’ny masony’ aloha izy ireo, izay vao manala ny ‘sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahiny.’

‘Tsy mety intsony raha manao hoatran’ny taloha aho: Hoe mahay mampiresaka be sy mamitaka olona. Nisy andinin-teny nampisaintsaina ahy.’—JEFFERY

Ary ahoana ny amin’i Jeffery? Marina fa resaka varotra foana ny asany. Hoy anefa izy tatỳ aoriana: “Rehefa nihanahalala an’izay voalazan’ny Baiboly aho, dia lasa tsapako fa tsy mety intsony raha manao hoatran’ny taloha aho: Hoe mahay mampiresaka be sy mamitaka olona mba haharaikitra an’ilay fifanarahana. Nisy andinin-teny nampisaintsaina ahy, ohatra ilay Ohabolana 11:1 hoe ‘maharikoriko an’i Jehovah ny mizana mandainga.’” Tsy ratsy saina hoatran’ireo namandrika an’i Jesosy intsony i Jeffery, fa miezaka manao ny marina foana rehefa mifampiraharaha amin’olona na amin’ny mpiara-mivavaka aminy.

An-tapitrisany ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, ary miezaka mampihatra an’izay ianarany ao amin’ny Baiboly izy ireo. Miezaka mafy izy ireo mba “hitafy ny toetra vaovao izay noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny tena fahitsiana sy tsy fivadihana.” (Efesianina 4:24) Mampirisika anao àry izahay mba hamantatra hoe iza ny Vavolombelon’i Jehovah. Fantaro ny zavatra inoan’izy ireo, sy izay azony atao mba hanampiana anao hahafantatra an’ilay tontolo vaovao ampanantenain’Andriamanitra. “Hitoeran’ny fahamarinana” io tontolo vaovao io, ka tsy hisy olona hihatsaravelatsihy intsony ao.—2 Petera 3:13.