Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Ahoana no ahalalantsika ny marina momba an’Andriamanitra?

Nahoana isika no tian’Andriamanitra hahalala ny marina? Vakio ny Jaona 17:3

Efa nifandray tamin’ny olombelona Andriamanitra. Nampiasa ny heriny izy, izany hoe ny fanahy masina, mba hampitana ny heviny tamin’ireo nanoratra ny Baiboly. (2 Petera 1:20, 21) Lasa mahafantatra ny marina momba an’Andriamanitra àry isika, rehefa mamaky Baiboly.—Vakio ny Jaona 17:17; 2 Timoty 3:16.

Mampahafantatra zavatra be dia be momba azy Andriamanitra, ao amin’ny Baiboly. Resahiny hoe inona no antony namoronany antsika, inona no hataony ho antsika, ary inona no tiany hataontsika. (Asan’ny Apostoly 17:24-27) Tian’i Jehovah Andriamanitra hahafantatra ny marina momba azy isika.—Vakio ny 1 Timoty 2:3, 4.

Nahoana Andriamanitra no tia an’ireo olona manaiky ny fahamarinana?

Andriamanitry ny fahamarinana i Jehovah, ary naniraka an’i Jesosy Zanany izy mba hampianatra ny olona ny fahamarinana. Lasa liana tamin’ny fampianaran’i Jesosy àry ireo olona tia ny fahamarinana. (Jaona 18:37) Ny olona hoatr’izany no tian’Andriamanitra hanompo azy.—Vakio ny Jaona 4:23, 24.

Nanely lainga momba an’Andriamanitra i Satana Devoly, ka betsaka no lasa tsy nahalala an’Andriamanitra. (2 Korintianina 4:3, 4) Liana amin’ireny fampianaran-diso ireny ny olona tsy tia ny tsara. (Romanina 1:25) Olona an-tapitrisany anefa no lasa nahalala ny marina momba an’Andriamanitra, satria nianatra Baiboly.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 17:11.