MANONTANY NY MPAMAKY
Inona no Maharatsy ny Krismasy?
Natao hoe fetin’ny Kristianina ny Krismasy hatramin’izay, ary ny nahaterahan’i Jesosy no ankalazaina amin’izy io. Raha jerena anefa ny zava-misy mandritra an’io fety io, dia mahalasa saina ihany hoe ahoana no nahatonga azy ireny hampifandraisina amin’ny nahaterahan’i Jesosy.
Voalohany, ilay angano momba ny Dadabe Noely. Orinasa iray mpanamboatra zava-pisotro tany Amerika Avaratra no namorona dokam-barotra nisy Dadabe Noely, tamin’ny 1931, nandritra ny fetin’ny Krismasy. Nanao akanjo menamena sy nisy volom-bava fotsifotsy ilay Dadabe Noely, ary menamena ny takolany sady mitsikitsiky foana izy. Nisy Brezilianina nanandrana nanolo an’i Dadabe Noely tamin’i Dadabe Indianina, teo anelanelan’ny taona 1950 sy 1960. Angano any amin-dry zareo izy io. Nilaza i Carlos Fantinati, mpampianatra, fa “tsy hoe nandresy an’i Dadabe Indianina fotsiny i Dadabe Noely, fa nandresy an’i Jesosy zazakely mihitsy sady lasa neken’ny besinimaro ho marika famantarana ny fetin’ny 25 Desambra.” Ny angano hoatran’ny Dadabe Noely ihany ve anefa no tsy mampety ny mankalaza Krismasy? Hojerentsika ny tantaran’ny Kristianina voalohany.
Nilaza ny Rakipahalalana Britannica (anglisy) fa “tsy nanaiky hankalaza ny andro nahaterahan’ny maritiora na ny nahaterahan’i Jesosy mihitsy” ny Kristianina, “nandritra an’ireo 200 taona voalohany nisian’ny Fivavahana Kristianina.” Nieritreritra mantsy izy ireo fa avy amin’ny fanaon’ny mpanompo sampy ny fankalazana aniversera ka tsy tokony hatao mihitsy. Tsy hita ao amin’ny Baiboly mihitsy koa ny daty nahaterahan’i Jesosy.
Na dia tsy nety nankalaza Krismasy aza ny Kristianina voalohany, dia nanomboka nankalaza azy io ny Eglizy Katolika, 300 taona mahery taorian’ny nahafatesan’i Jesosy. Te halaza mantsy izy ireo. Nisy zavatra tena lehibe nisakana azy ireo anefa. Nalaza be tamin’izany ny fivavahan’ny mpanompo sampy romanina, sy ny fety fanaon’izy ireo rehefa tapitra ny ririnina ka niverina ny masoandro. Resahin’i Penne Restad, ao amin’ilay boky hoe Ny Krismasy any Amerika (anglisy), ny zavatra fanaon’izy ireo isan-taona, isaky ny 17 Desambra ka hatramin’ny 1 Janoary. Izao no voalaza ao: “Nanao sakafo be, nilalao, nitabataba be, nanao filaharam-be, ary nanao fety hafa be dia be ny ankamaroan’ny Romanina sady nivavaka tamin’ny andriamanitr’izy ireo.” Nankalaza ny nahaterahan’ny masoandro tsy mety resy koa izy ireo rehefa 25 Desambra. Inona àry no nataon’ny eglizy? Nataony tamin’io daty io ny Krismasy, ka voataonany hankalaza ny nahaterahan’i Jesosy ny ankamaroan’ny Romanina. Nilaza i Gerry Bowler tao amin’ilay boky hoe Ny Tantaran’ny Dadabe Noely (anglisy) fa “mbola afaka nankalaza an’ireo fety fanaony tamin’ny ririnina ihany” ny Romanina. “Ny zavatra fanaony taloha ihany no nataon’izy ireo rehefa nankalaza an’ilay fety vaovao.”
Hita amin’izany àry fa ratsy ny niandohan’ny Krismasy. Nilaza i Stephen Nissenbaum ao amin’ilay boky hoe Ady Hanafoanana ny Krismasy (anglisy), fa “fetin’ny mpanompo sampy” ny Krismasy, fa mody “namboamboarina mba ho lasa fety kristianina.” Manala baraka an’Andriamanitra sy Jesosy Kristy Zanany àry ny Krismasy. Azo hamaivanina ve izany? Hoy ny 2 Korintianina 6:14: “Inona no ifandraisan’ny fahamarinana sy ny fandikan-dalàna? Ary inona no iombonan’ny mazava sy ny maizina?” Hoatran’ny hazo mibilaka àry ny zava-misy mandritra ny Krismasy, ka “tsy azo ahitsy” intsony.—Mpitoriteny 1:15.