Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | INONA NO HANAMPY ANAO HO TIA MAMAKY BAIBOLY?

Ahoana no Hahatonga An’ilay Izy Hahafinaritra?

Ahoana no Hahatonga An’ilay Izy Hahafinaritra?

Mankaleo sa mahaliana anao ny mamaky Baiboly? Miankina amin’ny fomba amakianao azy izany. Ahoana àry no hahatonga an’ilay izy hahafinaritra sy hahaliana? Ireto misy soso-kevitra:

Mifidiana fandikan-teny marina tsara sy maoderina. Azo inoana fa tsy hahafinaritra anao ny mamaky Baiboly feno teny sarotra sy tranainy, izay tsy azonao akory. Mifidiana àry fandikan-teny mora azo sy manohina ny fo ary marina tsara. *

Mampiasà fitaovana elektronika. Efa misy amin’ny endrika elektronika koa izao ny Baiboly. Azonao vakina ao amin’ny Internet ny Baiboly sasany, na azonao adika amin’ny ordinatera, tablette, na telefaonina. Misy amin’ireny Baiboly ireny ahafahanao mijery haingana an’izay andinin-teny mifandray amin’ilay andininy vakinao, na ahafahanao mampitaha fandikan-teny maromaro. Afaka mihaino Baiboly noraisim-peo koa ianao, raha izay no tianao. Maro no tia mihaino azy io rehefa mandeha fitateram-bahoaka, manao raharaha, na manao zavatra hafa ahafahany mihaino an’ilay izy. Maninona raha andramana ny iray amin’ireo?

Mampiasà fitaovana fikarohana. Tena handray soa ianao raha mampiasa azy ireny rehefa mamaky Baiboly. Ny sarintany ao amin’izy ireny, ohatra, hanampy anao hahita hoe aiza no misy an’ireo toerana resahin’ny andininy vakinao, ka ho azonao an-tsaina ny zava-nitranga. Hanampy anao hahazo izay lazain’ny Baiboly koa ny lahatsoratra sasany, toy ny hita ato amin’ity gazety ity, sy ilay fizarana hoe “Fampianaran’ny Baiboly” ao amin’ny tranonkala jw.org/mg.

Ovaovao ny fomba amakianao azy. Tsy dia tianao ve ny mamaky misesy an’ireo boky ao amin’ny Baiboly? Izay boky mahaliana anao àry vakina voalohany. Azonao atao ny mifidy an’izay misy tantaran’olona, raha tianao ho fantatra ny momba an’ireo olo-malaza resahin’ny Baiboly. Misy santionany amin’izany ao amin’ilay efajoro hoe “ Fakafakao ny Baiboly ka Fantaro ny Olona Resahina Ao.” Azonao asesy araka ny foto-kevitra koa ny boky vakinao, na araka ny fotoana nisehoan’ilay tantara. Mba andramo ange ny iray amin’ireo e!

^ feh. 4 Maro no mahita hoe marina tsara sady mora azo Ny Soratra Masina Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io, ary misy amin’ny teny 130 mahery. Azo alaina ao amin’ny tranonkala jw.org/mg izy io, na ao amin’ny programa JW Library. Azon’ny Vavolombelon’i Jehovah anaterana Baiboly koa anefa ianao, raha tianao.