Inona no Lazain’ny Baiboly?
Mbola hanjaka eto an-tany ve ny rariny?
Ahoana ny hevitrao?
Eny
Tsia
Angamba
Izay lazain’ny Baiboly
“Fantatro tsara fa harovan’i Jehovah ny zon’ny ory, ary homeny rariny ny mahantra.” (Salamo 140:12) Hampanjaka ny rariny eto an-tany ny Fanjakan’Andriamanitra.
Inona koa no lazain’ny Baiboly?
Hitan’Andriamanitra ny tsy rariny eto an-tany, ary hanitsy an’izany izy.—Mpitoriteny 5:8.
Hanjaka eto an-tany ny fiadanana sy ny filaminana, rehefa hampihatra ny rariny Andriamanitra.—Isaia 32:16-18.
Misy antokon’olona iangaran’Andriamanitra ve?
Misy milaza fa misy antokon’olona tahin’Andriamanitra ary misy ozoniny. Ny hafa indray mihevitra hoe mitovy ny fomba itondran’Andriamanitra ny olon-drehetra. Ahoana ny hevitrao?
Izay lazain’ny Baiboly
“Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Mitovy daholo ny olona eo imason’Andriamanitra.
Inona koa no lazain’ny Baiboly?
Misy “vaovao tsara” ho an’ny “firenena sy foko sy olona samy hafa fiteny ary vahoaka rehetra” ao amin’ny Baiboly.—Apokalypsy 14:6.