Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 98

Afafazo ny Voan’ilay Fanjakana

Afafazo ny Voan’ilay Fanjakana

(Matio 13:4-8)

1. Andeha, ry mpitory mazoto,

Hanao ny asan’i Jehovah.

Tahafo i Jesosy Tompo,

Torio ilay Fanjakana.

Raha miezaka ianao mamafy ny voa

Dia mety handray valisoa,

Satria hankalaza an’i Jehovah Ray

Ireo olona tena tso-po.

2. Ny voa sendra tany be vato,

Tsy mety mamaka tokoa.

Ireo ’zay voagejan’ny tsilo,

Maniry fa tsy mba mamoa.

Voafitaky ny harena izy ’reo,

Izay no mameno ny fony.

Ny voa hafa kosa tsy maintsy mamoa

Satria tsara ny tany itomboany.

3. Manàna fitiavana hatrany

Rehefa manao mpianatra.

Manohina ny fony ’zany.

Miezaha mba ho tsara fanahy.

Ilaina koa ny faharetanao

Rehefa manampy azy ’reny,

Dia hahita vokatra tsara ianao:

Telopolo na koa zato heny.

(Jereo koa ny Mat. 13:19-23; 22:37.)