Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 101

Ambarao ny Fahamarinana Momba Ilay Fanjakana

Ambarao ny Fahamarinana Momba Ilay Fanjakana

(Asan’ny Apostoly 20:20, 21)

1. I Jehovah dia nandefa

Hazavana ara-panahy,

Ka naneho ny marina

Momba ilay Fanjakana.

Koa ambarao ny lazany,

Ankalazao ny anarany.

Aok’ianao ho vonona

Hanao ny sitrapon’i Jehovah.

Torintsika ny marina

Hanafaka ny olona,

Isan-trano, n’aiza n’aiza,

Ary koa eny an-dalana.

Aok’isika hiray saina,

Hamita ny fanompoana.

Mitoria eran-tany,

Mazotoa hatramin’ny farany.