Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 117

Ampianarin’i Jehovah Isika

Ampianarin’i Jehovah Isika

(Isaia 50:4; 54:13)

1. Avia mba hianatra momba an’i Jehovah,

“Avia hisotro amin’ny ranon’aina.”

Tsara tokoa ny fampianarany,

Sady mahasoa no tena ilaina.

2. Aok’isika tsy hahafoy ny fivoriana,

Fa hianatra ny fahamarinana.

Eto isika mifampahery,

Mandray ny fanahin’i Jehovah.

3. Mampahery koa ny hira fiderana

Sy ’reo fandaharana ara-panahy.

Koa aok’isika hivory foana,

Satria ampianarin’i Jehovah!

(Jereo koa ny Heb. 10:24, 25; Apok. 22:17.)