Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 42

Ampio Ireo Malemy Ara-panahy

Ampio Ireo Malemy Ara-panahy

(Asan’ny Apostoly 20:35)

1. Isika rehetra dia

Malemy avokoa,

Nefa tian’i Jehovah,

Amindrany fo.

Koa aok’àry ’sika

Ho tia mangoraka.

Mba ampaherezo koa

’Reo osa kokoa.

2. Hoy Paoly nangoraka

An’ireo rahalahy:

“Iza no malemy ka

Tsy malemy aho?”

Na ireo kivy aza

Tsy foin’i Jehovah,

Ka ny ain’ny Zanany

Nomeny antsika.

3. Aok’ianao hanampy ’reo

Osa ara-panahy,

Ka tsy hanakiana fa

Ho tsara fanahy.

Ataovy tsapany

Fa namantsika izy.

Ampaherezo izy

Mba hatanjaka.