Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 102

Andao Hihira Momba Ilay Fanjakana!

Andao Hihira Momba Ilay Fanjakana!

(Salamo 98:1)

1. ’Ty hira ity dia hiram-pifaliana,

Ho fiderana an’i Jehovah Ray.

Ny Fanjakany hitondra fitahiana.

Andao hihira hiaraka aminay:

(AVERINA ISAN’ANDININY)

‘Jehovah Ray no ivavaho,

Ka ny anarany derao.

’Zao hira izao no asainay hataonao,

’Lay Fanjakany re no mba hirao.’

2. Hira vaovao tokoa no ambaranay ’zao,

Satria Kristy dia hitondra ny tany.

Mihira koa ’lay firenena vaovao,

Mpiara-mandova an’ilay Fanjakany:

(AVERINA ISAN’ANDININY)

‘Jehovah Ray no ivavaho,

Ka ny anarany derao.

’Zao hira izao no asainay hataonao,

’Lay Fanjakany re no mba hirao.’

3. Io hira io dia hira tsotra ihany,

Izay manetry tena dia mahay.

Koa maro be no mianatra izany,

Ary manasa ny olon-kafa indray:

(AVERINA ISAN’ANDININY)

‘Jehovah Ray no ivavaho,

Ka ny anarany derao.

’Zao hira izao no asainay hataonao,

’Lay Fanjakany re no mba hirao.’