Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 107

Andao ho any An-tendrombohitr’i Jehovah

Andao ho any An-tendrombohitr’i Jehovah

(Isaia 2:2-4)

1. Indro, jereo ange

’Reo vahoaka maro be,

Izay mankany

an-tendrombohitr’i Jehovah.

Izy mifampitaona,

Miakatra an’ireo havoana;

Tonga hiara-manompo

an’Andriamanitra.

Mahaliana, mahavariana

Fa ny vitsy efa lasa arivo.

’Zany ka fitahiana,

Tadidio ary ampahatsiahivo!

Maro ireo vaovao,

Efa an-tapitrisa izao,

Samy manaiky ny

zon’i Jehovah hitondra.

2. Kristy mandidy hatrany:

Mitoria maneran-tany.

Lazao ny vaovao tsara

momba ny Fanjakany.

Ampio ireo tso-po

Mba ho lasa mpankatò,

Ary hampihatra izay

lazain’ny Baiboly koa.

Fifaliana izany

Satria vahoaka be no miseho,

Mihamaro hatrany.

Tombontsoa ny manampy azy ’reo!

Andeha ka ambarao

Izao fanasana izao:

‘Andao ho any

an-tendrombohitr’i Jehovah.’