Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 95

“Andramo ka Jereo fa Tsara i Jehovah”

“Andramo ka Jereo fa Tsara i Jehovah”

(Salamo 34:8)

1. Ny fanompoana ataontsika,

Tombontsoa tsy manam-paharoa.

’Zay tsara amintsika, ny fotoanantsika,

Dia ho an’i Jehovah avokoa.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

‘Tsara Jehovah, andramo anie,

Andramo dia ho hitanao.’

Sambatra foana ’reo mahafoy tena

Sy manao ’zay azo atao.

2. Mandray fitahiana maro

’Reo mpanompo manontolo andro.

Matoky izy ’reo fa Jehovah eo,

Ka miahy sy manampy isan’andro.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

‘Tsara Jehovah, andramo anie,

Andramo dia ho hitanao.’

Sambatra foana ’reo mahafoy tena

Sy manao ’zay azo atao.