Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 112

Andriamanitra Mahatalanjona i Jehovah

Andriamanitra Mahatalanjona i Jehovah

(Eksodosy 34:6, 7)

1. Ianao, Jehovah, miavaka indrindra.

Mendrika hoderaina ianao,

Noho ’reo toetra tsaranao.

’Zay rariny ihany, mahitsy hatrany,

No tianao sy ataonao.

2. Ianao mamela fahadisoana.

Izay tia mamindra fo,

Amindranao fo tokoa.

Jehovah Rainay, ianao tia anay,

Tsara fanahy ihany koa.

3. Ny olon-drehetra sy ’reo anjely,

Enga anie hidera anao,

Fa lehibe ny anaranao.

Aoka ho tonga ’lay Fanjakana,

’Zay hanao ny sitrakao.