Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 3

“Andriamanitra dia Fitiavana”

“Andriamanitra dia Fitiavana”

(1 Jaona 4:7, 8)

1. Manatòna an’i Jehovah,

Izy anie fitiavana.

Aoka ho tia azy ’sika

Sy ho tia ny namana.

Isan’andro àry ’sika,

Tokony haneho fitia:

Fomba fiaina tsara indrindra,

Nampianarin’i Kristy.

2. Ireo tia an’i Jehovah,

Tia ny fahamarinana,

Dia tsy mialona ny hafa

Na koa mifaninana.

Ny fitiavana madio,

Tsotra sy tsara fanahy,

Ka mandefitra hatrany

Mba hahasoa ny rahalahy.

3. Jehovah manampy antsika

Tsy hitana lolompo,

Hifandray sy hifamela

Ary koa hamindra fo.

Raha tena tianao Jehovah,

Tiavo koa ny namanao.

’Zany foana isan’andro

No ataovy tanjonao.