Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 76

Andriamanitry ny Fiadanana i Jehovah

Andriamanitry ny Fiadanana i Jehovah

(Filipianina 4:9)

1. Mba zarao aminay

Ny fiadananao, ry Ray.

Ny hakiviana, fanahiana,

Mba esory aminay.

Fa lehibe lavitra

Noho ny eritreritra

Ny fiadananao, Jehovah,

Tsara sy maharitra.

2. Noho ny fiadananao,

Miray saina ny olonao,

Miara-paly, tsy mijaly

Toy izao tontolo izao.

Koa ny fiadananay,

Mba tahio, Jehovah Ray.

’Zay takinao, ’zay irinao

Dia hotanterahinay.

3. Ny fanahy masinao

Ary koa ny Teninao,

Jiro ho anay, miaro anay

Amin’izao andro izao.

Toy ny ando vao maraina

’Zay mamelombelon’aina,

Ny fiadananao, Jehovah,

Miaro ny fo sy ny saina!