Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 35

Ankasitrahantsika ny Faharetan’Andriamanitra

Ankasitrahantsika ny Faharetan’Andriamanitra

(2 Petera 3:15)

1. Jehovah ô, tia rariny ianao.

Tsy misy fetra ny herinao.

Ny ratsy no manjaka izao,

Ka malahelo ny fonao.

Maro ireo mihevitra fa

Ny farany dia mbola ho ela.

’Zahay kosa misaotra anao

Fa manam-paharetana ianao.

2. Aminao dia toa fohy ny fotoana:

’Ray andro ny arivo taona.

Tsy maintsy tonga ny andronao,

Ary efa akaiky ’zany ’zao.

Dia nandeferanao hatrizao

Ireo mpanota, satria tianao

Mba hiova sy hanompo anao.

Lehibe tokoa ny faharetanao!

(Jereo koa ny Lioka 15:7; 2 Pet. 3:8, 9.)