Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 82

Aoka Halemy Fanahy toa An’i Kristy

Aoka Halemy Fanahy toa An’i Kristy

(Matio 11:28-30)

1. Kristy Tompontsika tsy nirehareha,

Na dia nomena anjara asa lehibe;

Na niavaka indrindra sy be fahendrena,

Dia tia nankatò sady nanetry tena.

2. Ianao miasa mafy sy be fanahiana,

Matokia fa izy hanome fanampiana.

Malemy fanahy izy, mamindra fo.

Ny ziogany dia mampahery tokoa.

3. “Mpirahalahy” isika, hoy Jesosy Tompo,

Ka tsy misy ambony fa samy mpanompo.

Koa samia malemy fanahy foana hatrany,

Ny mpandefitra no handova ny tany.