Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 135

Aoka Isika Hiaritra Hatramin’ny Farany

Aoka Isika Hiaritra Hatramin’ny Farany

(Matio 24:13)

1. Ny Tenin’Andriamanitra,

Azo antoka tokoa,

Hanampy anao hiaritra,

Na mafy aza ny manjo.

Ny andron’i Jehovah izao

No ataovy ao an-tsainao.

Ary aza mba mivadika,

Hatanjaho ny finoanao.

2. Miareta f’aza ketraka,

Aza manaiky ho resy.

Ilay fitiavana ao am-po,

Tandremo mba tsy ho lefy.

’Zay fitsapana ho avy koa,

Aza atao mahakivy anao.

Jehovah anie tsy lavitra,

Eo izy ho tokinao.

3. Ny anaran’izay miaritra,

’Zay hovonjen’ny Ray,

Voasoratra any an-danitra,

Tsaroany mandrakizay.

Koa aok’ianao mba hiaritra,

Mba tsy hisy tsiny koa.

Jehovah no hamaly soa,

Ary ianao ho afa-po.