Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 121

Aoka Isika Hifampahery

Aoka Isika Hifampahery

(Hebreo 10:24, 25)

1. Andao isika hifampahery

Mba samy hanohy ny fanompoana,

Ka tsy ho ketraka irery

Raha misy fitsapam-pinoana.

Aleo mifankatia hatrany

Mba samy hiaritra avokoa.

Fa ny fiangonana ihany

No miaro amin’izay manjo.

2. Milaza teny mampahery

’Reo namana ’zay tena tia,

Sady amin’ny fotoana mety,

Ka tsapanao fa tsara erỳ!

Mahafaly koa ny miara-miasa

Satria ny tanjona iray ihany.

Na misy manavesatra aza,

Isika hifampitondra izany.

3. Ny farany efa manakaiky,

Mitombo ireo zava-mahory.

Vao mainka isika mila miaiky

Fa tena ilaina ny mivory.

Isika anie tsy miady ’rery,

Satria vahoaka tafaray.

Koa aoka samy hifampahery,

Tsy hivadika mandrakizay!