Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 124

Aoka Isika ho Tia Mandray Vahiny

Aoka Isika ho Tia Mandray Vahiny

(Asan’ny Apostoly 17:7)

1. Jehovah Raintsika dia tia manao soa,

Ny olon-drehetra anie ahiny avokoa,

Ka omeny isan’andro,

sakafo sy masoandro.

Eo koa ny orana ara-potoana.

Manahaka azy ’zay tia mandray vahiny.

’Reo miantra ny mahantra dia hotahiny.

Izay manampy ny ory, tsy hohadinoiny akory,

Tsy maintsy mbola honerany foana.

2. Misy heriny lehibe ny soa ataonao,

Manohina ny fo, na tsy tsapanao.

Koa anehoy fiahiana ’zay mila fanampiana.

Na ’reo tsy fantatrao, iantrao ihany.

Aok’àry isika ho tia mandray vahiny.

Izany no nataon’i

Lydia fahiny.

Sokafy ny fonao, ny varavaranao,

Jehovah tsy hanadino an’izany.