Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 32

Aoka Tsy Hihozongozona ny Finoantsika!

Aoka Tsy Hihozongozona ny Finoantsika!

(1 Korintianina 15:58)

1. Tena matahotra ny olona,

Satria ny hoavy toa tsy fantatra.

Ny finoanao àry no hatanjaho,

Mba tsy ho kivy ianao.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Arovy ny finoanao,

Reseo ’zao tontolo izao.

Hiaro anao Jehovah, aza mivadika.

2. Koa aok’isika hisaina tsara,

Fa mihamaro ny fakam-panahy.

Izay tsy miala amin’ny marina,

Harovan’i Jehovah.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Arovy ny finoanao,

Reseo ’zao tontolo izao.

Hiaro anao Jehovah, aza mivadika.

3. Aok’ianao hanompo amin’ny fo,

Ka hahafoy tena sy hazoto koa.

Ny vaovao tsara, torio hatrany.

Akaiky ny farany.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Arovy ny finoanao,

Reseo ’zao tontolo izao.

Hiaro anao Jehovah, aza mivadika.

(Jereo koa ny Lioka 21:9; 1 Pet. 4:7.)