Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 126

Asa Mafy Natao Tamim-pitiavana

Asa Mafy Natao Tamim-pitiavana

(Salamo 127:1)

1. Andro manokana izao,

Jehovah ô, misaotra anao.

Nahavita trano iray izahay,

Ho anny anaranao.

Notahinao ny ezakay

Sy ny asa mafy nataonay.

Endrey ’ty trano ity, kanto erỳ!

Faly ny fonay.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Jehovah Ray ô, faly ’zahay

Nanao ’ty trano ity ho anao.

Ny hanompo anao no tena tianay.

Ny fiainanay, hideranay ny anaranao.

2. Izahay faly avokoa,

Lasa mpinamana kokoa.

Ireo fiarahanay, tsaroanay,

Maminay tokoa!

Dia niray saina izahay,

Noho ny fanahinao, ry Ray.

Ny mankalaza anao toy izao,

Tombontsoa ho anay!

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Jehovah Ray ô, faly ’zahay

Nanao ’ty trano ity ho anao.

Ny hanompo anao no tena tianay.

Ny fiainanay, hideranay ny anaranao.