Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 33

Aza Matahotra Azy Ireo!

Aza Matahotra Azy Ireo!

(Matio 10:28)

1. Mandrosoa ka mahereza,

Ry Vavolombeloko.

Ambarao ny anarako,

Torio ny Fanjakako.

’Lay Mpanjaka notendreko,

Tsy ho ela intsony ’zao

Dia handresy ny Devoly.

Koa aza manahy ianao.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Ry mpanompo tena tiako,

Aza mba matahotra.

Sarobidy amiko ianao,

Ka hanampy anao foana aho.

2. Koa na dia mandrahona aza

Ny fahavalonareo,

Na mamitaka izy ’reo,

Na manenjika anareo,

Aza mba matahotra azy,

Fa ny saina no hatanjaho.

Mijoroa sy mifikira

Fa izaho tsy mba handao.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Ry mpanompo tena tiako,

Aza mba matahotra.

Sarobidy amiko ianao,

Ka hanampy anao foana aho.

3. ’Zaho no hery sy ampinga,

F’aza ketraka ianao.

Tsisy hatahoranao,

’Zaho tsy hanadino anao.

Mety hafoy tokoa ny aina

Fa tsy ho mandrakizay.

Izay tsy mivadika dia

Mbola hatsangana indray.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Ry mpanompo tena tiako,

Aza mba matahotra.

Sarobidy amiko ianao,

Ka hanampy anao foana aho.