Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 63

Aza Mivadika Mihitsy!

Aza Mivadika Mihitsy!

(Salamo 18:25)

1. Amin’iza moa isika

No tsy mba mivadika?

Amin’ilay Tompontsika,

Dia Jehovah Raintsika.

Isika nanokan-tena,

Satria tena tia azy.

Na misy aza fisedrana,

Maneke ny didiny.

2. Amin’iza koa isika

No tsy mba mivadika?

Amin’ireo rahalahy,

Izay tena tiantsika.

Mifanaja foana isika,

Sy mifampatoky hatrany.

Koa na faly na mijaly,

Mbola mifanampy ihany.

3. Mankatoava lalandava

An’ireo mitarika.

Tena ilaina ny manaiky

Ireo toromarika.

Handray fitahiana isika

Avy amin’i Jehovah,

Raha manompo sy mazoto

Ary tsy mivadika.