Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 55

Banjino ny Fiainana Mandrakizay!

Banjino ny Fiainana Mandrakizay!

(Jaona 3:16)

1. Indro ny Paradisa!

Tafaray ny rehetra.

Foana tokoa ny sento,

Sambatra ny olona.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Mihirà sy mifalia.

Banjino ny hoavy.

Ho sambatra isika,

Hiaina mandrakizay.

2. Ny antitra ho tanora,

Ka ho salama tsara.

Tsy hisy ny tomany,

Na koa ny tahotra.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Mihirà sy mifalia.

Banjino ny hoavy.

Ho sambatra isika,

Hiaina mandrakizay.

3. Hifaly ny rehetra

Noho ilay Paradisa.

Isan’andro, lazao koa:

“Misaotra, Jehovah!”

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Mihirà sy mifalia.

Banjino ny hoavy.

Ho sambatra isika,

Hiaina mandrakizay.