Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 99

Derao Ilay Mpanjaka Vaovao Hitondra ny Tany

Derao Ilay Mpanjaka Vaovao Hitondra ny Tany

(Apokalypsy 7:9)

1. Mihamaro ny vahoaka be,

’zay samy hafa fiteny.

Kristy sy ny voahosotra,

nanangona azy ’reny.

Jehovah hanjaka eran-tany,

Mitondra izao ny Fanjakany.

Tsy maintsy ho to ny fikasany.

Fifaliana re izany!

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Aoka hoderaintsika

Fa namonjy antsika,

Jehovah Raintsika sy Kristy.

Tany paradisa no andrasantsika,

Fiainana ho doria!

2. Andrianan’ny Fiadanana Kristy,

mpanjaka vaovao.

Hitondra famonjena izy,

hobio ary ankalazao.

Saintsaino ange ’reo fitahiana,

Hesorina ny faharatsiana.

Ho velona indray ’reo havan-tiana,

Tsisy ’ntsony fahoriana!

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Aoka hoderaintsika

Fa namonjy antsika,

Jehovah Raintsika sy Kristy.

Tany paradisa no andrasantsika,

Fiainana ho doria!