Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 9

Derao i Jehovah Andriamanitsika!

Derao i Jehovah Andriamanitsika!

(Salamo 145:12)

1. Derao Jah! Derao Jehovah!

Fa malaza ny anarany!

Mitoria eran-tany fa

Efa akaiky ’zao ny farany.

Nandray fahefana ny Zanany,

Ary efa manjaka izao.

Handray fitahiana ’zay mankatò,

Ka izany no ambarao!

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Derao Jah! Derao Jehovah!

Ambarao ny voninahiny!

2. Derao Jah! Derao Jehovah!

Asandrato ny anarany!

Mihirà ka misaora azy,

Lehibe ny voninahiny.

Mahery izy nefa tsara fanahy,

Tia manampy sy manao soa,

Ka manetry tena, miantra tokoa,

Be fitia sy mamindra fo.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Derao Jah! Derao Jehovah!

Ambarao ny voninahiny!