Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 108

Derao i Jehovah Noho Ilay Fanjakany

Derao i Jehovah Noho Ilay Fanjakany

(Apokalypsy 21:2)

1. Mpanjaka mahery Kristy,

Tia rariny, toy ny Rainy.

Voahosotr’i Jehovah izy,

Hamita an’izay nokasainy.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Derao Jah, ry ondry rehetra!

Derao koa Jesosy Kristy,

Koa araho hatrany, ekeo ny lalàny.

Derao izy, mihobia!

Derao Jah noho ’lay Fanjakany!

Derao fa voatendry Kristy,

Ny anaran’ny Rainy no ankalazainy.

Derao izy, mifalia!

2. Ireo ’zay nateraka indray,

Voafidy sady voaisa.

Nantsoina izy ’reo ho mpanjaka,

Hamerina ny Paradisa.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Derao Jah, ry ondry rehetra!

Derao koa Jesosy Kristy,

Koa araho hatrany, ekeo ny lalàny.

Derao izy, mihobia!

Derao Jah noho ’lay Fanjakany!

Derao fa voatendry Kristy,

Ny anaran’ny Rainy no ankalazainy.

Derao izy, mifalia!