Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 125

Ekeo Hatrany ny Fandaharan’Andriamanitra

Ekeo Hatrany ny Fandaharan’Andriamanitra

(1 Korintianina 14:33)

1. Notendrena isika hitory eran-tany,

Momba an’i Jehovah sy ny Fanjakany.

Aoka hiray saina, hankatò hatrany,

Tsy hivadika na sarotra aza izany.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Miaro antsika sy tia antsika

Jehovah Raintsika.

Ekeo hatrany ny fahefany,

Aza mba mivadika!

2. Mampahery antsika ’reo voahosotra,

Sy ny fanampian’ny fanahy masina.

Ny hanompo foana, ’zay no tadidio,

Ny fon’i Jehovah no ampifalio!

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Miaro antsika sy tia antsika

Jehovah Raintsika.

Ekeo hatrany ny fahefany,

Aza mba mivadika!

(Jereo koa ny Lioka 12:42; Heb. 13:7, 17.)