Hira 70
‘Fantaro Tsara Izay Zava-dehibe Kokoa’
1. Tandremo tsara ny fomba fiaina
Fa ratsy ’zao andro izao.
Fantaro izay zava-dehibe ka
Ny ratsy ankahalao.
Jehovah no ampifalio,
Ka tadidio:
Ny vavaka sy fianarana ihany
No ataovy hatrany,
Fa tena zava-dehibe izany.
2. Ny asa mila ataontsika dia ny
Mitory ’lay Fanjakana.
Karohy ’reo ondrikelin’ny Ray ka
Itondray fanantenana.
Tiavo izy ’reo, ary ampianaro
Mba ho voaro.
Ampio hatrany ’reo olona liana.
Aza variana!
Zava-dehibe ny asa fitoriana.
3. Raha toa izay zava-dehibe no
Tianao, ifantohanao,
Ny finoanao dia hiorina tsara,
Ka hiadan-tsaina ianao.
Ho namanao ’reo rahalahy.
Aza manahy,
Ianao hotahina sy handray soa
Fa mankatò,
Manao ’reo zava-dehibe kokoa.
(Jereo koa ny Sal. 97:10; Mat. 22:37; Jaona 21:15-17; Asa. 10:42.)