Hira 66
Hanompo Anao Amin’ny Foko Manontolo Aho, Jehovah
1. Jehovah, Ray Avo Indrindra,
Hanompo anao aho, ianao no tiako.
Tsy hivadika aminao aho,
Ny hankatò anao no fidiko.
’Reo lalànao tsy mba hialako,
Hataoko izay sitraponao.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Koa ny foko manontolo,
Jehovah ô, atolotro anao.
2. Ireo asanao rehetra
Dia mankalaza anao avokoa,
Ka ny fiainako rehetra
Mba hiderako anao ihany koa.
N’aiza n’aiza aho, tsy hanadino
Fa nanokan-tena ho anao.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Koa ny foko manontolo,
Jehovah ô, atolotro anao.
(Jereo koa ny Deot. 6:15; Sal. 40:8; 113:1-3; Mpito. 5:4; Jaona 4:34.)