Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 114

Harena Sarobidy ny Bokin’Andriamanitra

Harena Sarobidy ny Bokin’Andriamanitra

(Ohabolana 2:1, 4)

1. ’Lay boky iray ’zay sarobidy ’ndrindra

Dia mahasambatra sy mahasoa.

Ny toroheviny dia manan-kery,

Mamelombelona antsika tokoa.

Io boky miavaka io dia ny Baiboly,

’Zay boky avy amin’Andriamanitra.

Ireo mpanoratra azy io fahiny

Dia nampian’ny fanahy masina.

2. Voasoratra ao ny asan’i Jehovah,

Nataony lavorary avokoa.

Fa very anef’izao ’lay Paradisa,

Satria ny olona tsy nankatò.

Voalaza fa ny anjely iray nikomy

No fototry ny ratsy eran-tany,

Ka nahatonga fijaliana maro,

Nefa Jehovah dia hanova izany.

3. Fotoana mahafaly ny androntsika,

Kristy efa nandray ny Fanjakany.

Tsy ho ela dia hovonjen’i Jehovah

Ireo miandany amin’ny fitondrany.

Izay no vaovao tsaran’ny Baiboly,

Tena sakafo ara-panahy tokoa.

Vakio àry ilay Boky Sarobidy,

Vakio fa manome fiadanam-po.

(Jereo koa ny 2 Tim. 3:16; 2 Pet. 1:21.)