Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 111

Hiantso i Jehovah

Hiantso i Jehovah

(Joba 14:13-15)

1. Ny aina moa miserana ihany

Toa zavona maraina;

Lasa tsy tana, mamela fo tomany,

Misento sy mitaraina.

Izay maty ve azo inoana hoe

Ho velona indray izy e?

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Matokia, hitsangana izy

Rehefa hiantso Jehovah;

Satria tena tsy foiny,

Asa tanany ’sika.

Matokia, satria Jehovah

Malahelo azy koa.

Mbola hitsangana izy,

Mahereza ka minoa.

2. Jehovah moa tsy manadino akory,

Ny namany tsy foiny;

Na maty aza, toy ny hoe matory,

Hifoha rehefa hantsoiny.

Ary amin’izay, Paradisa indray,

Fiainana mandrakizay.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Matokia, hitsangana izy

Rehefa hiantso Jehovah;

Satria tena tsy foiny,

Asa tanany ’sika.

Matokia, satria Jehovah

Malahelo azy koa.

Mbola hitsangana izy,

Mahereza ka minoa.