Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 14

Ho Vaovao ny Zava-drehetra

Ho Vaovao ny Zava-drehetra

(Apokalypsy 21:1-5)

1. Miorina izao ilay Fanjakana,

Miseho mantsy ny “famantarana.”

Nandresy Kristy tany an-danitra,

Hatao izay sitrak’i Jehovah.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Koa mifalia, ry olona,

Eo aminareo Jehovah!

Ho foana ny fahafatesana,

Ny alahelo sy aretina.

“Ataoko vaovao”, hoy Jehovah,

‘Ny zavatra rehetra.’

2. I Jerosalema Vaovao ihany koa

Dia voaravaka amin’ny vatosoa.

Ny vadiny dia ny Zanak’ondry,

I Jehovah no manazava azy.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Koa mifalia, ry olona,

Eo aminareo Jehovah!

Ho foana ny fahafatesana,

Ny alahelo sy aretina.

“Ataoko vaovao”, hoy Jehovah,

‘Ny zavatra rehetra.’

3. Jereo ’lay tanàna fa mahatehotia.

Mivoha foana ny vavahadiny.

Ireo firenena manatona,

Maneho taratry ny hazavana.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Koa mifalia, ry olona,

Eo aminareo Jehovah!

Ho foana ny fahafatesana,

Ny alahelo sy aretina.

“Ataoko vaovao”, hoy Jehovah,

‘Ny zavatra rehetra.’