Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 109

Hobio ny Lahimatoan’i Jehovah!

Hobio ny Lahimatoan’i Jehovah!

(Hebreo 1:6)

1. Jehovah nanendry

Ny Zanany Lahimatoa,

Hitondra fitahiana

Sy hiaro ny zony koa;

Mpanjaka heni-kaja,

Manao ny rariny,

Ny anaran’i Jehovah

No hohamasininy.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Mendrika hoderaina

’Lay Zanaka Lahimatoa.

Kristy manjaka ao Ziona,

Hobio izy amin’ny fo!

2. Jehovah nandefa

Ny Zanany Lahimatoa,

Hanaisotra ny ota,

Hamonjy ’reo mankatò.

Miakanjo fotsy madio

Ny vadin’i Kristy.

’Lay fampakaram-bady,

Hitondra soa doria!

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Mendrika hoderaina

’Lay Zanaka Lahimatoa.

Kristy manjaka ao Ziona,

Hobio izy amin’ny fo!