Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 28

Ilay Hira Vaovao

Ilay Hira Vaovao

(Salamo 98)

1. Derao Jehovah, Manaova hira vaovao.

Ny asany mahagaga, Torio sy ambarao.

Rariny tokoa Ny fitsarany rehetra.

Izy no Mpanjaka Sy Mahery Indrindra.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Mihirà

’Lay hira vaovao.

Mihirà,

Jehovah no derao.

2. Koa ankalazao Ny anaran’Andriamanitra.

Mihirà ho azy Amim-pifaliana.

Izy no derao, Ary samia manandra-peo;

Tsofy ny trompetra, Ny lokanga tendreo.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Mihirà

’Lay hira vaovao.

Mihirà,

Jehovah no derao.

3. Ranomasina, Manaova feo fiderana.

Izay eto an-tany, Hobio i Jehovah.

Tendrombohitra, Derao ny Avo Indrindra.

Ny rano rehetra, Samia mankalaza.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Mihirà

’Lay hira vaovao.

Mihirà,

Jehovah no derao.