Hira 10
“Intỳ Aho Iraho!”
1. Ny anaranao, ry Jehovah,
Dia haratsin’ny olona.
Adala izay miteny fa
“Tsy misy Andriamanitra.”
Iza no hanamasina
Ny anaranao, ry Jehovah?
“Ry Tompo, intỳ aho iraho
Hitory ny anaranao.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Iriko ny hankalaza anao.
Intỳ aho, Tompo, iraho.”
2. Tsy atahoran’ny olona
Ny fitsaran’i Jehovah.
Ny sampy no mba tompony,
Kaisara no mba tokiny.
Iza no hampitandrina
Fa hisy fandringanana?
“Ry Tompo, intỳ aho iraho
Hilaza ny fitsaranao.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Iriko ny hankalaza anao.
Intỳ aho, Tompo, iraho.”
3. Mijaly ny mpandefitra,
Fa ratsy ny fiainana.
Mitady fiadanana
’Reo tia ny fahamarinana.
Iza no mba hampionona
Ny malahelo rehetra?
“Ry Tompo, intỳ aho iraho
Hampianatra ’reo tia anao.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Iriko ny hankalaza anao.
Intỳ aho, Tompo, iraho.”
(Jereo koa ny Sal. 10:4; Ezek. 9:4.)