Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 1

Ireo Toetran’i Jehovah

Ireo Toetran’i Jehovah

(Apokalypsy 4:11)

1. Jehovah ô, Loharanon’aina,

Mahery ianao, mendrika hoderaina.

’Zao rehetr’izao, asan’ny tananao,

Ka mampiseho ny herinao.

2. Mahitsy ianao, tia rariny koa.

’Reo lalànao mahasoa avokoa.

Ianaranay koa ny fahendrenao,

’Zay hazavain’ny Teninao.

3. Hafa tokoa ny fitiavanao.

Maro ireo zava-tsoa nomenao.

Ny toetranao àry no torinay.

Ny anaranao no derainay.