Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 103

“Isan-trano”

“Isan-trano”

(Asan’ny Apostoly 20:20)

1. Isan-trano, isan-trano,

Ny marina torio.

Isan-tanàna ihany koa,

Ny olona ampio.

Jesosy no mitarika

Izany asa izany.

Ny Fanjakan’i Jehovah,

Ambarao eran-tany.

2. Ny fitoriana isan-trano,

Mitondra famonjena,

Ka hiantso an’i Jehovah

Ireo manetry tena.

Hataony ahoana ’nefa moa

No hino izay tsy reny?

Koa mandehana isan-trano,

Tadiavo izy ireny.

3. Koa ambarao isan-trano,

Torio ’lay Fanjakana.

Na dia misy aza tsy mandray,

Anehoy fanajana.

Ny anaran’Andriamanitra

No ambarao hatrany.

Raha toa mazoto foana ianao,

Hahita ondry ihany.

(Jereo koa ny Asa. 2:21; Rom. 10:14.)