Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 65

“Ity no Lalana”

“Ity no Lalana”

(Isaia 30:20, 21)

1. Hafa tokoa ny

lalan’ny fiadanana,

’Zay nolazain’ny

Tenin’Andriamanitra.

Io lalana io no

nampianarin’i Kristy.

Koa mahereza ianao,

tohizo re ny dia.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Hoy Jehovah: ‘Ity no Lalana,

Izay mankany amin’ny fiainana.

Aza mivily na miherika,

Mizora fa ity no Lalana.’

2. Tsara tokoa ny

lalan’ny fitiavana.

Jehovah anie dia

tsy mba manalavitra.

Mahery sy tsy miova

ny fitiavany.

Voaro izay mandeha

amin’ny lalany.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Hoy Jehovah: ‘Ity no Lalana,

Izay mankany amin’ny fiainana.

Aza mivily na miherika,

Mizora fa ity no Lalana.’

3. Iray tokoa

ny lalan’ny fiainana,

’Lay fomba fiaina

’zay madio sy marina.

Ho hitanao

ny tena fiadanana

Sy ny fitiavana

ary koa ny fiainana.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Hoy Jehovah: ‘Ity no Lalana,

Izay mankany amin’ny fiainana.

Aza mivily na miherika,

Mizora fa ity no Lalana.’