Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 120

Izay Mihaino sy Mankatò dia Hotahina Tokoa

Izay Mihaino sy Mankatò dia Hotahina Tokoa

(Lioka 11:28)

1. Jesosy Kristy nampianatra antsika,

Ka fantatsika fa mahasoa izany.

Kanefa raha te ho sambatra isika

Dia hankatò sy hitandrina hatrany.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

’Zay mihaino sy mankatò

Dia hotahina tokoa.

Ho sambatra sy handray valisoa

’Zay mihaino sy mankatò.

2. Manaova trano ambony vatolampy,

Izany mantsy no miaro ny aina.

Tsarovy fa ny mandre dia tsy ampy,

Ny mampihatra no tena ilaina.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

’Zay mihaino sy mankatò

Dia hotahina tokoa.

Ho sambatra sy handray valisoa

’Zay mihaino sy mankatò.

3. Toy ilay hazo eo amoron’ny ony

’Reo mankatò an’i Jehovah Ray,

Satria mamoa ka tsy halazo intsony,

Homeny fiainana mandrakizay.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

’Zay mihaino sy mankatò

Dia hotahina tokoa.

Ho sambatra sy handray valisoa

’Zay mihaino sy mankatò.