Hira 57
Izay Saintsainiko ato Am-poko
1. Izay saintsainiko ato am-poko
Mandritra ny andro tsirairay,
Enga anie mba ho sitrakao
Ka hampifaly anao, ry Ray.
Ny alina aho raha miady saina
Ka lasa tsy mahita tory,
Dia hisaintsaina momba anao,
Tsy hanadino anao akory.
2. Izay madio sy tsara laza
No tiako hifantohan’ny saiko,
Dia mba ho mendrika avokoa
Izay ataoko sy lazaiko.
Ny hevitrao, Jehovah ô,
Dia maro be, tsy hita lany.
Koa enga anie ny teninao
Mba hosaintsainiko hatrany.
(Jereo koa ny Sal. 49:3; 63:6; 139:17, 23; Fil. 4:7, 8; 1 Tim. 4:15.)