Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 60

Izy no Hampahery Anao

Izy no Hampahery Anao

(1 Petera 5:10)

1. Jehovah niantso anao satria ianao tso-po,

Nikaroka ny marina tokoa.

Nahita ny mazava ianao rehefa nantsoiny,

Tsy ao anaty haizina intsony.

Nanokan-tena mba ho azy ianao,

Ka dia nampiany foana hatram’izao.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Satria ianao voavidy, an’i Jehovah ianao,

Dia izy no hiahy sy hampahery anao.

Niaro anao hatram’izay ka hatram’izao,

Koa izy no hiahy sy hampahery anao.

2. Aza manahy satria Jehovah tena tia,

Homeny hery ianao ka matokia.

Ny Zanany aza foiny ka maty ho anao,

Nahoana ianao no tsy hampiany ’zao?

Tsy hohadinoiny koa ny finoanao

Sy ny fitiavana nasehonao.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Satria ianao voavidy, an’i Jehovah ianao,

Dia izy no hiahy sy hampahery anao.

Niaro anao hatram’izay ka hatram’izao,

Koa izy no hiahy sy hampahery anao.