Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 23

Jehovah, Herinay sy Tanjakay

Jehovah, Herinay sy Tanjakay

(Isaia 12:2)

1. Jehovah, herinay sy tanjakay,

Vavolombelonao ’zahay, ry Ray;

Mitory momba anao Mpamonjy anay.

Tsy mahakivy anay ’reo tsy mandray.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Jehovah Tompo, Vatolampinay,

Ny anaranao ambaranay.

Ny herinao no itokisanay.

Ianao, Jehovah, no Fialofanay.

2. Faly ’zahay satria manompo anao,

Sy ampianarinao ny Teninao.

Arahinay ireo fitsipikao.

Safidinay ny miandany aminao.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Jehovah Tompo, Vatolampinay,

Ny anaranao ambaranay.

Ny herinao no itokisanay.

Ianao, Jehovah, no Fialofanay.

3. Ny sitraponao no arahinay,

Satria ianao no ianteheranay.

Na dia manenjika aza Satana,

Ampio ’zahay mba tsy hivadika.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Jehovah Tompo, Vatolampinay,

Ny anaranao ambaranay.

Ny herinao no itokisanay.

Ianao, Jehovah, no Fialofanay.