Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 131

Jehovah no Mpanafaka Antsika

Jehovah no Mpanafaka Antsika

(2 Samoela 22:1-8)

1. Jehovah, Andriamanitra lehibe ianao!

Maneho ny herinao izao rehetra izao.

’Reo andriamani-kafa tsisy hoatr’anao,

Resinao ny fahavalonao.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Jehovah Mpanafaka, Mpiaro antsika,

Ary azo itokiana amin’ny andro fahoriana.

’Sika mino sy feno herim-po mitory izany,

Fa Jehovah no Mpanafaka, derao hatrany.

2. Ny fahafatesana mandrahona ny aiko,

Ianao, Jehovah ô, no hany antenaiko.

Mba omeo herim-po aho fa miantso anao,

Ampio aho fa mialoka aminao.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Jehovah Mpanafaka, Mpiaro antsika,

Ary azo itokiana amin’ny andro fahoriana.

’Sika mino sy feno herim-po mitory izany,

Fa Jehovah no Mpanafaka, derao hatrany.

3. Ny feonao dia ho toy ny kotroka mahery!

Ny fahavalonao hatahotra sy hiery.

’Zay sitrakao, Jehovah, tsy maintsy to avokoa;

Mpanafaka tokoa!

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Jehovah Mpanafaka, Mpiaro antsika,

Ary azo itokiana amin’ny andro fahoriana.

’Sika mino sy feno herim-po mitory izany,

Fa Jehovah no Mpanafaka, derao hatrany.

(Jereo koa ny Sal. 18:1, 2; 144:1, 2.)