Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 46

Jehovah no Mpanjakantsika!

Jehovah no Mpanjakantsika!

(Salamo 97:1)

1. Diniho ny asan’i Jehovah,

Manambara azy na dia ny lanitra.

Mifalia, mihirà, ka izy no derao,

Ny anarany ankalazao.

AVERINA ISAN’ANDININY)

Ry tany, mifalia! Lanitra, mihobia,

Fa Jehovah no Mpanjakantsika!

Ry tany, mifalia! Lanitra, mihobia,

Fa Jehovah no Mpanjakantsika!

2. Miankohofa amin’i Jehovah,

Ka omeo azy ny voninahitra.

Ambarao mba ho fantatr’ireo firenena:

Izy no iavian’ny famonjena.

AVERINA ISAN’ANDININY)

Ry tany, mifalia! Lanitra, mihobia,

Fa Jehovah no Mpanjakantsika!

Ry tany, mifalia! Lanitra, mihobia,

Fa Jehovah no Mpanjakantsika!

3. Mitondra izao ny Fanjakany,

Fa nandray fahefana ny Zanany;

Dia haetry ’reo sampy ’zay nindrahindraina,

Fa Jehovah kosa hoderaina.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Ry tany, mifalia! Lanitra, mihobia,

Fa Jehovah no Mpanjakantsika!

Ry tany, mifalia! Lanitra, mihobia,

Fa Jehovah no Mpanjakantsika!