Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 22

“Jehovah no Mpiandry Ahy”

“Jehovah no Mpiandry Ahy”

(Salamo 23)

1. Jehovah no Mpiandry ahy,

Tsy misy atahorako.

Karakarainy ’reo ondriny,

Arovany avokoa,

Omeny rano madio,

’Zay tsara sy mahasoa.

Mamelombelona izany,

Ny foko dia tony koa.

Mamelombelona izany,

Ny foko dia tony koa.

2. Ny tehin’ilay Mpiandry

No manome toky ahy.

Na maizina aza ny lohasaha

Dia tsy mba irery aho.

Maneho fitiavana izy,

Sy tsara fanahy tokoa.

Ny tranony no honenako

Mandritra ny fiainako!

Ny tranony no honenako

Mandritra ny fiainako!

3. Jehovah no hoderaiko,

Fa hendry sy be fitia.

Ambarako amin’ireo tso-po

Ireo toetra tsarany.

Ny Teny ’zay nolazainy,

Tsy maintsy tandremako.

Harena ny fanompoana azy,

Ka ankasitrahako.

Harena ny fanompoana azy,

Ka ankasitrahako.

(Jereo koa ny Sal. 28:9; 80:1.)